FITANDREMANA MAHAZOARIVO
Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana
Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara
EGLISE DE JESUS CHRIST DE MADAGASAR
CHURCH OF JESUS CHRIST OF MADAGASCAR
Bientôt sur www.fjkm-mahazoarivo.mg
Site officiel www.fjkm-mahazoarivo.mg

Toriteny matio 25. 21-30
hoan`ny sampana lehilahy kristiana
Teny fampidirana
Regular pedicure _____________ $14
Deluxe pedicure ______________ $19
French pedicure ______________ $17
Sport pedicure _______________ $17
Princess pedicure ____________ $20
Gel pedicure _________________ $27
Gel polish change _____________ $17
Mini pedicure ________________ $10
Faly miarahaba antsika lehihaly kristiana eto amin`ny FJKM……., Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin`Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. Inona moa no lohahevitra banjin`ny FJKM amin`ity volana ity ? ndeha hiarantsika mamaky. … ‘’Manorina ny fifampitokisana ny marina’’. Lohahevitra sarobidy tokony ho trandrahana amin`izao vanimpotoana mampivahavaha be ihany ny fifandraisana eto amin`ny firenena tokoa izany . hampiorenantsika ny hafatra anio aza dia ilay fanoharana momba ny talenta voasoratra ao amin`ny bokin`I Matio toko 25: 14-30. Fanoharana ahitana ny fifampitokisana amin`ny Tompo mahatoky sy ny Mpanompo mahatoky . Ahoana ireo endrika isehoan`izany ? Omentsika lohahevitra ity manao hoe lehilahy mahatoky , mifampatoky. atokisan`ny Tompony
1-Mifampatoky eo amin`ny fampiasana ny vola ;
Endrika iray anehoana ny fifapitokisana dia fampiasana ny vola
Andaniny dia ambaran`ny fanoharana (and .14) fa vola mitontaly Talenta 8 no napetraky ny Tompo amin`ireo mpiasa. Vola be tsy takatry ny saina tokoa izany. Ny talenta ry Havana ,dia tsy vola vy akory fa vongana volafotsy na volamena , vola be izany satria ny Talenta 1 dia mitovy sanda amin` ny denaria 2000 . Kanefa ny denaria iray dia karama`olona iray indray andro. Izany hoe raha atontaly dia karaman`olona iray mandritra ny 16000 andro. Sahin`ny Tompony napetraka hampiasaina izany noho`ny fahatokisany.
Ankilany kosa, ambaran`ny fanoharana fa ny roa tamin`ireo mpiasa mahatoky dia nahatakatra tsara ny tian`ny tompony ambara ka nampitombo izany araka izay azony natao. Napetrany tamin`ny varotra izany ka nahazoany tombony avo roa heny.
Ny Tompo eto ry Havana dia tsy iza fa Jesoa. Ireo mpanompo kosa dia isika kristiana. Mahatoky antsika ny Tompo ka endrey,tsy mampanino azy ny mametraka talenta maro be tsy hita pesimpesina ny sandany. Tiany ampiasaina izany fa tsy tehirizina fotsiny.
Fampiharana
Ry rahalahy, nomena talenta hianao : vola, saina matsilo, fahakingan-tanana, heritsandry, taona maro hahavelomana sns harena sarobidy nomena anao izany. Takatrao ve ny antony nanomezana azy ? ampitoboina izany hoe ampiasaina. Hahazoana tombony. Izao anefa, eto an-tany no ampiasaina izany Tombony izany, ary amin`ny fahavelomantsika , Ireo mpiarabelona aminao no tian`ny Tompo higoka izany. Hoy ity mpampianatra iray eny amin`ny oniversite ity. `` mahafaly ahy ny mizara ny fahaizako manontolo amin`ny mpianatro, hanasoavany ny ho aviny sy ny fireneko , Ny fantatro fa rehefa maty aho dia levona any am-pasana koa ny fahalalako. Ry rahalahy mahatoky anao Jesoa, Tsarovy fa ialain`ny Tompo ny talentanao . Ka raha samy ho faty ihany aleo mamela mamy toy ny renin-tantely.
2-Mifampatoky eo amin`ny fomba anantanterahana ny asa
Tsy ny asa vita ihany no hitarafana ny fifampitokisana , fa ny fomba nanatanterahana azy koa.
Andaniny , Ambaran`ny tenin`Andriamanitra , ry Havana fa mahatoky ilay Tompo , fa dia lasa izy and. 15 izany hoe tsy ho eo aza . nefa dia ireo mpiasany hiasa tsy tapaka . Ny fotoana tsy nahateo ny Tompo ry Havana dia ilay fotoana nanomboka teo amin`ny niakarany any an-danitra ary ny fotoana fiverenany hitsara izao tontolo izao .
Lesona roa mazava tsara no azo tsoahina amin`izany . Ny voalohany dia ny hoe ;Ny mpanompo mahatoky tsy andrasana sy arahi-maso vao manao ny asany.
Faharoa , ny mpanompo mahatoky dia mahay manararaotra ny fotoana omena mba hanantanterahana ny asany.``niaraka tamin`izay`` hoy ny andininy faha 16, fa tsy niandry rahampitso. Ny hahafaly ny Tompony no nahamaika azy ka endre fa Dodona izay tsy izy izy roa voalohany handeha amin`ny asa nanirahana azy.
Fa ambonin`izany rehetra izany dia ny toetra feno fanetre-tena sy fitiavana nanan`ireto mpiasa mahatoky . Tsy mitovy ny fizarana ny talenta ``ny sasany nomena 5, ny sasany 2, ny sasany 1. Ny roa tamin`ireto mpiasa izay tena mahatoky dia tsy mba nihevitra ny tompony ho mpanambaka toy ilay fahatelo ka hilaza fa ``Tompo mila voatsiary e…, mijinja amin`izay tsy namafazany…. na manangona amin`izay tsy nanahany …`` na koa nihevitra ny Tompony ho biby fampitahorana `` dia natahotra aho ka nandevina ny talenta ary tsy niasa fa namerina main any talenta napetraka taminy (and 25).
Ny mpanompo mahatoky manao ny asany noho ny fitiavana fa tsy noho ny tahotra. Ny mpanompo mahatoky entanin`ny fitiava ka sahy manao sorona hoan`ny tompony.
Fampiharana ;
Ry rahalahy, dia ho sahintsika ve sanatria ny hiteny ratsy ny tompotsika . ho Tompo mila voa tsiary, mpanambaka antsika va satria mametraka andraikitra maro be amintsika , mandany fotoanantsika ka miafara indraindray amin`ny fanadinoana ny ankohonana. Satria mitaky tompo mitaky isan`andro vaky izao ny vola hanaovana ny asany , ka lazaintsika fa mahavaky tratra tsy maha-te hiditra am-piangonana
Ny apostoly paoly dia mihevitra fa zava-dehibe amin`ny fiainany manontolo I Jesoa. Hoy izy ``Fa tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko``. Inona no avalintsika noho ny soa rehetra nataony tamintsika. Adinontsika fa fitiavana lehibe no namonjena antsika ka nanomezana antsika ny zanak`Andriamanitra Endrey izany nanaiky hisolo heloka antsika ka nanaiky ho nampijaliana sy ho faty teo amin`ny toerana misy antsika. Aza adino fa vokatry izany dia nomena antsika ny Fiainana mandrakizay, inona no havalintsika ny Tompotsika , Rehefa manao ny asan`ny Tompo isika dia izao no lazaintsika. Ataoko ity satria tiako ny Tompoko, ataoko ity tsy noho ny tahotra ataoky ity tsy baikona na terena ho voninahitry ny Tompoko .
3-Mifampatoky eo amin`ny vokatry ny asa :
Hita eo amin`ny vokatry ny asa koa ny fifampitokisana
Andaniny, ireo mpiasa nitondra hoan`ny Tompo ny vokatry ny asany; hoy ny voalohany ``talenta dimy no nomenao ahy, nahazo tombony talenta dimy koa aho`` (and.20) Toraka izany koa ilay mpanompo faharoa ``Talenta roa no nomenao ahy. Nahazo tombony talenta roa koa aho and.21 Nomeny voninahitra ny tompony ary tsy nangalatra izy na nanafina ampahany amin`ny tompony fa indro natolony ny tompony ny vokatry ny asany manontolo.
Ankilany kosa Vokatry izany dia naseho`ny Tompo fa mpampiasa mahatoky sady mpitsara marina ny asan`ny tsirairay. Hoy indrindra izy mankasitraka ``Tsara izany ry mpanompo mahatoky nahatoky , nahatoky tamin`ny kely hianao ka hataoko ho mpanapaka ny be `` (and 23)
Tsy ny habetsahan`ny Talenta no jeren`ny Tompo fa ny hatsaran`ny vokatra. Samihafa ny isan`ny talenta nomena , ny Volohany 5, ny faharoa 2, samy nahazo tombony avo roa heny ary dia mitovy ihany ny valisoa. Matoa izay no isan`ny talenta nomena anao, mifalia amin`izany , ary aza lany andro mifampitahataha , ary izay hahazoana vokatra tsara avy amin`izany no ataovy. Aza miherikerika fa tsy ho sahaninao avokoa akory ny asa rehetra.
Mitombo ny fahatokisan`ny Tompo ny mpanompo mahatoky. Ho valisoany dia ampitomboina ny andraikiny sy ny asany.
Henjana kosa ny miandry ilay mpanompo tsy mahasoa fa sady hesrina aminy ny kely ananany no ariana any ivelan`ny fanjakan`Andriamanitra izy , hoy ny Tompo taminy :`` fa izay manana dia homena be fa izay tsy manana na ny kely anany aza mbola alaina aminy and.29
Fampiharana ;
Ry rahalahy , Tsy teny foana tsy akory ry Havana ireo teny fanentanana atao amintsika isan`andro ireny, mahatoky ny Tompo , Tsy mba tsy marina ka hanadino ny asa ataontsika sns. Misy ireo mpanompo tsy menatra miampanga fa tsy misy na inon na inona mety ho azo avy amin`ny Tompo. Asehon`ny Tompo fa hafa ny manompo azy sy tsy manompo azy . koa mahereza ary mahefa be mandrakariva amin`ny asan`ny Tompo.
Teny famaranana
Ry rahalahy , eto am-pamaranana dia mampandini-tena antsika rehetra ny tenin` Andriamanitra androany. Azon`I Jesoa hitokisana ve isika ka hametrahany talenta marobe, mety hahita olona tsy hiteny ratsy azy ve Izy amin`ireo andraikitra maro nomena antsika ? afaka manantena ve ny Tompo fa hahita vokatra tsara amin`ny fiverenany . Tsarovy fa ho avy ny Tompo , hitsara izao tontolo izao, ary hamaly ny natao. Tsy noho ny tahotry ny fitsarana anefa , na fitiavana valisoa fa noho ny fitiavana tsotra izao, ho setrin`ny fitiavana tsy hita noanoa efa natolony ho ahy sy hianao , dia ny fianana mandrakizay.
Ry Rahalahy , voafetra ny andro ahavelomantsika, aza mangataka andro ary, fa mivonona ho tena rahalahan`I jesoa , mahatoky , mifampatoky ary sahy manao sorona hoan`ny Tompo. Adinontsika ve izany Rafaralahy Andriamazoto , Raha ho faty aho hoy izy, dia aleoko maty sambatra toa an-dRasalama. Aoreno ny fifampitokisana .
Ho an`Andriamanitra irery anie ny voninahitra.