FITANDREMANA MAHAZOARIVO
Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana
Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara
EGLISE DE JESUS CHRIST DE MADAGASAR
CHURCH OF JESUS CHRIST OF MADAGASCAR
Bientôt sur www.fjkm-mahazoarivo.mg
Site officiel www.fjkm-mahazoarivo.mg

1. NY LALANA NODIAVINA NAHAZOANA NY MPITANDRINA
• 1863-1896 : ANDRIAMPIRY Mpitandrina, nodimbiasan’i RAINIARIVO ilay Mpitandrina nitarika ny fanorenana ny Trano Fiangonana biriky
• 1896-1898 : Ny Loholona RAINIMANGA sy RAINIALISERA
• 1898-1908 : Ny Mpitandrina RAINIBEGODONA
• 1909-1926 : Ny Mpitandrina RALAY
• 1927-1929 : Ny Mpitandrina RAFARALAHY
• 1931-1961 : Niverina ny Mpitandrina RALAY
• 1961-1962 : Ny Loholona RAZAFIMBELO na i DADAZAFY nampian’ireo Diakona namany
• 1962-1985 : N y Mpitandrina RAKOTOVAHOAKA Paul
• 1987-1991 : Ny Mpitandrina ANDRIANJAFY
• 1991-1992 : Ny Mpitandrina mpiana-draharaha RAKOTONIRAINY Rivonanahary.
20 taona niarahana niasa
Feno 20 taona katroka amin’ity volana Oktobra 2012 ity tokoa mantsy ny fiaraha-miasan’ny Mpitandrina Randrianarisoa Satarivony mianakavy sy ny Fiangonana teto Mahazoarivo. Mifanandrify amin’ny faha-20 taona nivoahany ny toeram-panomanana izany.
Raha tsiahivina fohifohy ny tantara, 20 taona lasa izay nandalo fahasahiranana ny fianam-panahy teto amin’ny Fiangonana Mahazoarivo noho ny tsy nisian’ny Mpitandrina raikitra nandritra ny herintaona mahery fa dia Mpitandrina mpiana-draharaha no nitondra ny Fiangonana.
Naniry fatratra ny mba hanana Mpitandrina raikitra, vita fianarana ambony avy amin’ny Faculté de Théologie ny Fiangonana teto Mahazoarivo. Niezaka tokoa ireo Biraom-piangonana tamin’izany fotoana izany nanao ny fangatahana sy nitondra ny fanirian’ny mpiangona tamin’ny fitondrana teo anivon’ny Synodam-paritany Avaratr’Andohalo. Tsy zava-mora mihitsy anefa ny fahazahoana Mpitandrina raikitra tamin’izany fotoana izany satria teo ny fahavitsian’ireo Mpitandrina nivoaka avy teny amin’ny Faculté, teo koa ny fanahian’ny Synodamparitany ny amin’ny hoe mety tsy hahazakan’ny Fiangonana izany Mpitandrina mivoaka ny Faculté de Théologie izany.
Kanefa dia niezaka mafy ny nandresy lahatra ary nanome toky ny teo anivon’ny SP ny Biraom-piangonana teto Mahazoarivo, ka na dia Mpitandrina roa monja ihany aza no anjaran’ny SP Avaratr’Andohalo tamin’ireo Mpitandrina nahavita fianarana tamin’ny volana Aogositra 1992 dia nampisaotra an’Andriamanitra lehibe fa dia anisan’ny nahazo iray tamin’izy ireo ny Fiangonana.
Raha ny marina dia nasaina nisafidy tamin’ny anaran’ireo Mpitandrina roa ireo ny Biraon’ny Fiangonana, safidy tsy nifanitri-maso akory na nahita sary, fa safidy niantefa tamin’ilay anarana malagasy ranoray dia ny mpitandrina RANDRIANARISOA Satarivony izany.
Ny Alahady faha-04 Oktobra 1992 no naseho teto amin’ny Fiangonana voalohany izy ireo. Ny Mpitandrina RABE François sy Atoa RAZAFIMAHEFA Marcel samy tao anatin’ny Birao SP no nanolotra azy ireo tamin’izany.
Dibo-kafaliana tokoa ny Fiangonana satria tanteraka ny faniriana nahazo Mpitandrina raikitra , sady Mpitandrina vao tanora herotrerony, no Mpitandrina nanapahaizana tokoa
Ny Asabotsy 23 sy ny Alahady 24 Novambra 1996 kosa izy no noraisain-tanana teto amin’ny Fiangonana Mahazoarivo, ary tamin’io fotoana io koa no nanokanana azy ho Mpitandrina.
Tamin’ny andron’ny mpanjaka Radama II, ny taona 1863 no notokanana ny trano fiangonana teto Mahazoarivo, mbola trano zozoro izany tany am-piandohana ary zanam-piangonana Ambavahadimitafo no rafitra nisy azy, ka ny misionera nifandimby tao Ambavahadimitafo no nitsidika sy namangy ny zana-piangonany. Na izany aza dia nanana Mpitandrina, Loholona ary Diakona ho azy manokana ny Fiangonana.
Amim-panajana no hahatsiarovana ireo Mpitandrina sy Ray aman-dreny rehetra nifandimby nametraka ny dian-tany teo amin’ny fitaizana ny Fiangonana Mahazoarivo
Tantara fohy ...
• NY MPITANDRINA RANDRIANARISOA Satarivony
Volana Oktobra 1992 – Hatramin’izao

• NY MPITANDRINA RANDRIANARISOA Satarivony